Tsindrim-peo

Posted March 27th, 2008 by lapino

Anisan’ny zavatra sarotra rehefa mianatra tenim-pirenena ny tsindrim-peo. Indraindray manko tsy tena misy fitsipika mazava mifehy azy. Ny teny malagasy anefa manana mazava tsara. Kanefa koa mankarary sofina be ny famakin’ireo tsy gasy ny teny gasy.

Fototeny no fototra

Mba hahafantarana ny toerana misy ny tsindrim-peo, dia esorina daholo aloha ny tsirin-teny rehetra raha misy : ny tovona, tovana, tsofoka ary tsirin-teny sara-droa. Ny kamban-teny koa, avahana tsara ny teny tsirairay mamorona azy. Avy eo amin’izay manisa avy any amin’ny farany. Hataontsika sora-baventy izay zanatsoratra mitondra an’ilay tsindrim-peo ao anatin’ny ohatra.

  • Raha mivany roa ilay teny dia ny vanin-teny faharoa avy any amin’ny farany no mitondra ny tsindrim-peo (izany hoe ny vaninteny voalohany).
    Ohatra hoe : tE-ny, vA-ry, O-vy
  • Raha mivany telo na mihoatra kosa dia ny vanin-teny fahatelo avy any amin’ny farany no mitondra tsindrim-peo.
    Ohatra hoe : tO-ngo-tra, la-mO-si-na, va-ra-vA-ra-na

Mikisaka miankavanana

Ny tovona sy ny tsofoka rehetra dia tsy mamindra tsindrim-peo. Fa mikisaka vanin-teny iray miankavanana kosa izy amin’ireto tranga ireto :

  • miaraka amin’ny tovana -ina na -ana.
    Ohatra : tO-ndro -> to-ndrO-ina
  • miaraka amin’ny tsirinteny sara-droa misy -ina na -ana.
    Ohatra : jE-ry -> i-je-rE-na
  • ny endrika mandidy.
    Ohatra : mi-vO-a-ka -> mi-vo-A-ha , dA-ka -> da-kA-o

Tranga miavaka (exceptions) :

Misy ihany ny tranga tsy manaraka an’ireo fitsipika ireo. Ao anatin’izany :

  • ireo teny efa misy tsirinteny kanefa ampiasaina ho fototeny.
    Ohatra : hO-ma-na (misy tsofoka -om-) na hI-na-na (misy tsofoka -in-)
  • ny teny misy diphtongue izany hoe zana-tsoratra mifanarakaraka (kely sisa dia :-P ) mitambatra ho feo iray.
    Ohatra : a-tAO-vy fa tsy a-ta-O-vy, i-lAO-fa-na fa tsy i-la-O-fa-na
  • ny teny sasany nadika ara-panononana avy tamin’ny teny vahiny.
    Ohatra : si-gA-ra

Tsy tena mandika an’ilay fitsipika ihany anefa ireo na izany aza rehefa dinihana. Fa misy ihany tranga sasany izay tena exceptions, ohatra hoe : ki-rA-ro, a-kA-njo, lo-vI-a, sns.

An-tsoratra

Tsy soratana ny tsindrim-peo amin’ny teny malagasy. Rehefa misy fifangaroana mety hitranga ihany vao soratana izy, ary izay teny tsy manaraka an’ireo fitsipika ireo no anoratana azy, na ireo teny amin’ny endrika mandidy mety mifangaro amin’ny endrika tsotra.
Ohatra : mazana / mazàna, tanana / tanàna, mihinana / mihinàna

Manaraka an’izay daholo ny tsindrim-peo rehetra. Ny zana-peo mitondra azy no mety ho à (mifindrà), ì (midìna), na ò (ajanòny). Ny y tsy mila tsindrim-peo satria mivadika ho lasa e (manendry - manendre), ny e koa tsy mila tsindrim-peo satria efa feo voatsindry

Eo ambony clavier

Ny clavier fampiasantsika malagasy dia mitovy amin’ny an’ny frantsay ihany : Jereo eto. Rehefa hanoratra an’ireo tsindrim-peo ireo ary dia toy izao no atao : AltGr+7 , avy eo ilay zana-tsoratra. Miasa toy ny “touche morte” ilay AltGr+7, fa mahazo tsindrim-peo izay zana-tsoratra manaraka azy eo. Ohatra : à , ì , ò.

misaotra an’i Tokinao ;-)

Raha asaina tenenin’ny vazaha

Ny vazaha rehefa mamaky teny gasy dia saika ataony eo amin’ny vanin-teny farany foana ny tsindrim-peo. Ahoana ary no atao mba hametrahany azy eo amin’ny tena toerany ? Mba hisy vazaha hiteny gasy tsy misy accent amin’izay … :-P Andramo ary hoe ity fika ity hanazarana azy raha misy manana namana vazaha te-hianatra teny gasy :

  1. Ao anatin’ny teny iray, jereo aloha ny toeran’ny tsindrim-peo izany hoe ny vanin-teny misy azy.
    Ohatra hoe : ragIdro
  2. zarao roa aorian’io vanin-teny io ilay teny.
    Ohatra : ragI sy dro
  3. ampifamadiho ilay tapa-teny anankiroa, dia lasa any amin’ny farany ilay vanin-teny misy tsindrim-peo amin’izay : eo amin’ilay hasiany azy indrindra.
    Ohatra : droragI
  4. dia asaivo averimberiny im-betsaka sy miadana, ary raiso feo.
    Ohatra : droragIdroragIdroragIdroragI….
  5. asaivo averiny henoina ilay feony teo, sady atao eo ambany masony ihany ilay teny voalohany tsy mivadika : ragidro. Tsy ho droragi intsony no henony eo amin’izay fa izy mahay miteny hoe : ragidro

Raha misy manandrana io fika io dia mba ilazao ihany aho mba hitsikiana raha nahomby, fa mba hihomehezana raha tsy nety. Mampiteniteny foana ihany manko ity mirediredy ity indraindray :-)

——————————-

Re : Aza ampijaliana ny teny malagasy

Tsy dia afaka hanan-kolazaina loatra satria tsy misy tombony mivaingana sy mivantana loatra azo avy amin’ny fitandroana an’ilay teny malagasy. Tsy afaka omen-tsiny koa ny malagasy satria tsy izy loatra no mampijaly ny teny malagasy, fa ny concurrence mavesatra apetrak’ireo teny vahiny … globalization oblize, ny sandan’ilay teny milahatra amin’ny fahantrana mbola manampy trotraka :-P

Fa (màj kely) :

Raha ohatra ange izao amin’ny blaogy ohatra, samy mba manoratra artikla kely iray monja daholo momba ny teny malagasy, mety mba hahangona zavatra kely azo raisina ihany. Style ohatra an’ireny lalaon-tagy ireny fa tsisy tagy fotsiny. Amin’izay koa mba misy “Jereo eto” azo apetraka entre pà rehefa misy hadisoana manelingelina.


15 Responses to: “Tsindrim-peo”

  1. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 7:00 pm

    misaotra betsaka o ! Tsara be izy izany, mazava be hoatran’ny andro antoandro.

  2. lapino lapino responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 7:18 pm

    nareo ihany ange ry ikalamako no mahatonga an’zao e ;-)

    Za tsy dia spesialista amin’ny teny malagasy loatra, fa ao amin’ny haisoratra.org no toa misy artikla vitsivitsy ohatrohatra an’izao, nosoratana spesialista. Toa offline ry zareo am’zao fa tsy haiko.

  3. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 8:30 pm

    eka ouz fa efa mamoaka ny hevitro aho atsy :-)
    Ny ahy ange mba fiangaviana e ! Ka hoy foana i bebenay hoe rehefa manao dia manao, ary rehefa hanao dia manao tsara, fa rehefa tsy hanao tsara dia aza manao…:-P

  4. simp simp responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 11:07 pm

    kay
    ary toi kosa tena specialiste kle :)
    na le “vocabulaire” aza manahirana be…
    Mazava ihany na izany aza.

    misaotra eeee.

  5. lapino lapino responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 11:39 pm

    ikalamako, sambatra ihany i dadabenareo an ! :-P

    simp, azo antoka anefa fa feno tsipika sitlo mena be io raha mandalo spesialista. Fa zany hoe tsy koi, efa niezaka ihany.

  6. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 9:55 am

    lap : lollll ! dia ny vadiko koa zany… hahaha hiiiiiiiiii

  7. pissoa pissoa responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 12:48 pm

    Hi hi - amin’io “ragidro” io toa ny famakiana ilay “dro” indray no ho sarotra kokoa noho ny fametrahana ny tsindrim-peo. Novakiako ilay izy fa toa lagid izany no heno raha tsy hoe terena be ha ha ha. (Tsy dia misy hifandraisany amin’ny tsindrim-peo ilay hevitra fa nampihomehy ahy fotsiny ilay fanandramana lol).

  8. lapino lapino responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 8:16 pm

    :-)
    hafahafa be kosa zany lagid zany kle
    fa na zany koa, raha ampitoviana ny ragidro marina fanonona fa diso tsindrim-peo sy ny ragidro diso fanonona fa marina tsindrim-peo, iza no tsara kokoa ? :roll:

  9. maintikely maintikely responds:
    Posted: March 30th, 2008 at 9:49 pm

    misaotra ry lapino fa misy hianarako izy izany.

    Ary hono hoy aho ny fampiasana ilay tsindrim-peo “ò” koa ve manaraka ireo voalaza ireo ihany?
    ialana tsiny fa be fanontaniana :)

  10. lapino lapino responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 1:43 pm

    maintikely, ny toerana misy ny tsindrim-peo dia manaraka an’izay daholo ka. Ny zana-peo mitondra azy no mety ho à (mifindrà), ì (midìna), na ò (ajanòny). Ny y tsy mila tsindrim-peo satria mivadika ho lasa e, ny e koa tsy mila tsindrim-peo satria efa feo voatsindry :-)
    isaorana ny fanontaniana satria misy amenoana izay tsy feno e ;-)

  11. jogany jogany responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 8:00 pm

    grave be , Giravy be (lol) ilay fampianara ato @ commentaires hoa. Horany hoe mafinaritra be ilay mpampianatra. mety ve raha asiana “prix du meilleyr professeur?” manaraka eo koa ilay “1er de la classe” sy ny sisa (sns)

  12. lapino lapino responds:
    Posted: April 1st, 2008 at 9:36 am

    jogany, tsy aleo ve tsy asiana resaka fifaninanana aloha ? ;-)

  13. jogany jogany responds:
    Posted: April 2nd, 2008 at 12:16 pm

    tsy possible de toutes façons misy efa resy be ….
    fa tena mila atao MERCI 10 x izany ireny mpampianatra investis sy engagé ireny…sady inspirés!
    mafinaritra ka, azo ampiko koa hoe patients!

  14. lapino lapino responds:
    Posted: April 3rd, 2008 at 1:28 am

    ny tena ataoko merci koa aza dia ireo izay tsy mahafehy ny teny malagasy kanefa manao ezaka lehibe handray anjara. De tt façon nge tsy ekspera nanao malagasy teny Ankatso daholo e. Samy manana zavatra hay momba an’ilay teny daholo, ary samy manana zavatra tsy hay daholo koa. Dia mba samy mifampizara izay hay eo izany e.

  15. oulkely oulkely responds:
    Posted: April 11th, 2008 at 9:07 am

    Milay ry reto a! tena mila tosika ohatran’izay mihitsy ilay teny malagasy fa maty io ny farany, ny an’ny olona toa hay tsara na ny miteny na ny manoratra, fa ny an’ny tena toa lasa adinon’ny maro, indrindra ny ankizy ankehitrio! dia aleo amafisina ilay hoe “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko” e! antsika mantsy io dia aleo hianarana e! za koa mantsy mba miezaka mianatra aminareo! OK


Post a Comment

Enter Your Details:


You may write the following basic XHTML Strict in your comments:
<a href="" title=""></a> · <acronym title=""></acronym> · <abbr title=""></abbr>
<blockquote cite=""></blockquote> · <code></code> · <strong></strong> · <em></em>

  • Including a link in your comments will require moderator approval. No Spam please.
  • If you’re a first-time commenter, your reply will be held for moderation. Sorry.
  • Please do not force me to have to edit or remove your comments. No Spam please.
  • Your mature and responsible replies are greatly appreciated by all. Thank you.
Enter Your Comments:


Note: This is the end of the usable page. The image(s) below are preloaded for performance only.