Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika”

Posted March 27th, 2008 by lapino

Eritreritra nandalo, tsy dia hita izay maharatsy azy, andao isika hanao buzz kely indray e. Ataontsika lalaon-tagy tsy misy tagy izy, dia io tenin’i DadaRabe io no lohateny ampitondraina azy. Izao ary no fandehany :

  • Ato anatin’ny 2 volana, dia angatahina samy mba hanoratra bolongana iray avy momba ny fitsipiky ny teny malagasy
  • Raha azo atao dia mifandraika amin’ny hadisoana matetika fahita
  • Malalaka ny endrika sy ny fomba hanoratana azy
  • Izay mazoto sy mahavita 2 na mihoatra dia vao mainka tsara
  • Rehefa avy manoratra, ny rohy na ny adiresin’ilay bolongana misy ny lalao dia alefa commentaire any amin’ireto bolongana ireto mba hahamora ny famoriana azy :

http://lapino.blaogy.org/2008/03/27/lalao-aza-ampijaliana-ny-tenintsika/ (sy vitsivitsy mety hiampy eo)
na ampilazao an’ikalamako mba hapetrany ato

  • Rehefa tapitra ny 2 volana, izany hoe aorian’ny 31 May, dia homentsika an’i DadaRabe ny voninahitra hanambatra izay vita rehetra, ka hametraka ny rohy ao amin’ny blaoginy.

Raha ohatra manko isika manana tahirin-kevitra azo aseho an’ireo izay manao fahadisoana, dia moramora kokoa ny hiteny hoe “Aza ampijaliana ny tenintsika”. Tsy asiana tagy izy, fa izay te-handray anjara rehetra dia tonga soa. Lalao ihany izany na tsy dia lalao loatra aza e :-)

Za moa efa nanao ohatra kely iray : Jereo eto

(aza hitako ka tsisy kil … :-P)


39 Responses to: “Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika””

  1. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 8:31 pm

    Ka fitsipi-pitenenana izany no atao anaty bolongana - sa ?
    Marina fa maro no mitovy hevitra amin’i lap hoe : “tsy misy tombony mivaingana sy mivantana loatra azo avy amin’ny fitandroana an’ilay teny malagasy”, kanefa hoy aho hoe mahafinaritra kokoa ny mamaky lahatsoratra amin’ny teny gasy voakaly na misy hadisoana ihany aza (izany hoe ao ilay “ezaka”). Ka tsy maninona fa erikerika hono mahatondra-drano.
    Dia mba azo omena an’i sipagasy koa io valin-dalao io fa mety ilainy amin’ity bolongany ity : http://sipagasy.tk/

  2. pissoa pissoa responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 9:27 pm

    Hevitra : na dia ny teny Malagasy aza no tiana hasandratra amin’ny lalao - dia sao tokony asiana dikany amin’ny teny vahiny ny lahatsoratra (ho an’izay mazoto) ?

    Ilay ohatra nataon’ialahy mantsy izao - dia misy hoe Kanefa koa mankarary sofina be ny famakin’ireo tsy gasy ny teny gasy. ! Nefa izaho mihevitra fa sarotra ho azy ireny ihany ny mamaky sy hahazao io lahatsoratra io :)

  3. jogany jogany responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 10:42 pm

    ry lova sy mialy zao hitako fa efa vonona be hadika an’ilay izy @ teny anglisy+frantsay (euh…)
    azo atao devoir de groupe ve izy io ramose? heeeelpppppppp

  4. simp simp responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 11:10 pm

    Sao dia mba tokony halavaina kely le 1 volana io.
    Mba manome fotoana an’ireo tsy specialista otranaako mantsy. Miala satroka kosa aloha @ le tsindri-peo io e. Tena mety tsy mahavita otran’ireny ny bandy :)
    Aleo mba hijery izay ataon’ny olona sy handinika hoe inona no zavatra tsotra takatry ny ati-doha kelinay :P

  5. simp simp responds:
    Posted: March 27th, 2008 at 11:12 pm

    za manana boky fianarana mikabary kay :)
    mahazo mi-plagiarize ve? 8)

  6. lapino lapino responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 12:01 am

    ikalamako, ie. Fitsipi-pitenenana na tsipelin-teny.
    Ny fampiasana azy indray avy eo, ataoko fa tsisy olana. Saingy mba hanomezan-danja ny ezak’izay nanoratra dia, dia farafaharatsiny asiany rohy mankany amin’ny orizinal.

    pissoa, tonga soa daholo izay fahazotoana hafa rehetra ka

    jogany, milay raha misy mahadika azy rehetra amin’ny teny anglisy sy frantsay
    ny fomba hanoratana azy indray dia mety daholo rehefa mampety azy e! tsy olana mihitsy ny en groupe :-)

    simp, mety ho azo atao ihany ny manitatra an’ilay 1 volana raha tsy ampy. Sao koa misy mazoto hanao anankiroa :-P . Raha tsy diso koa aho toa misy fetin’ny teny malagasy any ho any amin’ny solstice an’ny volana jona any fa tsy tadidiko exact ilay daty. Raha misy mazoto hi-organize cyber-fety …
    Elah tokoa zao efa nanao an’ilay resaka gaigy iny, … fa mbola asio hafa ndray e :-P
    Tsy maninona koa, mety vao mainka tsara aza, raha zavatra tsotra sy fohy mora raisina mikasika theme voafaritra tsara. Fa tsy voatery hoe lahatsoratra lava be na sofistikasionnemàn be. Nenà aza neveriko fa ho resaka mivany 2 sy mivany 3 fotsiny, kanjo lasa lava ihany.

  7. jogany jogany responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 3:08 am

    Zà mazoto mi-organisé cyber-fety !!! Ary mety hampidiriko ao koa ny blogger vaovao avy any Toamasina sy Mahajanga fa aza gaga nareo raha resy be.
    ikalamako an>mety v raha préparena tsika ilay playlist RVG @ io? ela be t@ farany iny (lapino>zahay makony efa spécialistes ny cyber-fety ikalamako=dj, pissoa=meneuse de revue, lol, vola=choriste, fahitako azy hoe tsy dia ampy bandy….)
    bon andeha hitady namana aingana aho fa tsy mety raha solo ilay exercice….hhihiihihhih

  8. jogany jogany responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 3:17 am

    (hotrany hoe zélée be i jogany fa efa namparitako ilay izy…)
    pardon…efa vao am-pita hatrany jungil sy tamaga ….

  9. ikalakely ikalakely responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 9:53 am

    Mmmm….”matahotsa be zà!” Izaho izany ilay tsy mety dia mila ampidirina ao anatin’ilay post a?

    Mety hahay teny malagasy tsy misy vary amin’akotry amin’izay izany izao ikalakely koa!

    Mila spàpà eeeeeeeeee…..

  10. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 9:54 am

    atokisako i jogany kah !

  11. DadaRabe DadaRabe responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 11:10 am

    MAhafinartira Lap à!
    Misaotra betsaka koa nanome ahy ilay angady !
    TSy miaboho adidy é!
    Zava-dehibe mihitsy no naroson’i Lap.
    Miala tsiny fa be erehina aho ry zareo ka amin’ny WE io vao tena afaka misera indray.

    MAhereza daholo é!

    DAdaRAbe

  12. DadaRabe DadaRabe responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 11:11 am

    Mahafinaritra be Lap à
    MIsaotra amin’ilay fandraisana andraikitra lehibe.
    Izaho koa aza manahy fa tsy hiamboho adidy é!
    Raikitra izany an !
    Izany hoe rahampitso aho vao afaka mikatroka fa mbola be erheina kely tamin’ity herinandro ity

    DadaRabe

  13. lapino lapino responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 1:29 pm

    DadaRabe, mbola afaka 1 na 2 volana any ny farany ka. Aza atao manelingelina ny asa aman-draharaha fototra mihitsy na kely aza ;-) . Ilay angatahana an’i DadaRabe izany dia ny mba hamoaka billet iray mamoaka ny vokatry ny asa … amin’izay rehefa afaka 1 na 2 volana izay.

    Jogany, raha tsy diso aho 21,22,23 Jona ilay izy, fa tsy sûr. Ny 26Jona no sûr :-)
    Fa milay ilay hoe misy spesialista amin’ny e-fety an ;-)

    ikalakely, :-)
    ankoatra ny fanoratra iniana aza, tsy mahita diso amin’ny soratr’ikalakely mihitsy aho eo. Mody fanina an :-P

  14. pissoa pissoa responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 2:33 pm

    Ikalakely > Mety Ikalapeta kosa angamba no tian’Ikalakely notenenina teo hoe tonga dia hahay Malagasy fa tsy Ikalakely e, hi hi. Bizzz ho an’Ikalapeta e !

    Jogany > hi hi hi … meneuse de revue ???

  15. jogany jogany responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 2:57 pm

    lapino >mety be ilay hoe 26 Juin (chek “lé” lasa “ilay”….wooooow)
    ok sefo oui sefo (lol simp)

  16. jentilisa jentilisa responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 3:23 pm

    Mahafinaritra tokoa izy ity raha tahaka izao ka! hiomana aho nefa izaho mihitsy ilay mpanao lahatsoratra lava e!

  17. pissoa pissoa responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 8:00 pm

    Ilay cyber-fety ve no lazain’i Jogany hoe mety raha 26 Jiona ? Tsy aleo atao Sabotsy ihany ? Alakamisy mantsy io 26 io - ka sady mbola manao fety ry zareo any Dago no mbola mikandra ny any ampita :)

  18. jogany jogany responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 8:38 pm

    za angamba efa erin-taona tsy nijery calendrier…lol (liar liar)
    28 v mety ? amizay samy mampiseo sary tany @ fety tena izy

    oui sefo oui sefo

  19. maintikely maintikely responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 10:37 pm

    tsara sady ankasitrahako ilay hevitra.
    Mety ve raha mijery avy ety ivelany fotsiny, sao dia manoro vohana manko :(

    jogany: tsara sady mahomby ilay cyber fety! ah là là j’ai hâte d’y être :D. Sao dia azo aroso aloha ilay izy fa dia 28jiona ve?

  20. simp simp responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 10:47 pm

    fa ny tena klown @ ity kozy ity dia otran’ny hoe manao treve 2 volana izany isika… …ampijaliana ndray lery avy eo 8)

  21. simp simp responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 10:48 pm

    manomboka izao dia atao teny gasy marina ny eto @ ity “commentaire” ity

    :P

  22. lapino lapino responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 10:59 pm

    Aleo dia ankinina amin’i Jogany izany ilay cyber-fety e. Fa raha mitady andro Asabotsy koa, mety azo eritreretina ihany ilay 21 Jona saingy sady mifanindry amin’ny fetin’ny mozika koa anefa.

    Jentilisa, mety foana na lava na fohy ka. Samy araka ny saosin’ny mpanoratra azy avy ny lahatsoratra.

    maintikely, izay tsy manoratra mamaky ;-)

    simp, eny e. Ampijaliana foana ihany lery avy eo, tsy hoe sadika, fa mba ezahana tsy ho any amin’izay efa fantatra fa maharary azy intsony. 8-)

  23. lapino lapino responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 11:01 pm

    simp,
    … araka izay azo atao ;-)

  24. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 28th, 2008 at 11:16 pm

    maintikely a, mba anjara biriky akia a !
    jentilisa : ataovy lava mihitsy fa i jogany mila lesona koh - hihihi - vazivazy izany fa i jogany isaky ny manoratra misy ezaka be foana. Mety ho resiny daholo ihany isika amin’ny farany fa izy hanao fampiharana moa isika hanao trève :-P

  25. jogany jogany responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 6:32 am

    mangina fotsiny hoa, tafiditra GVO Malagasy ny farany eo…looooool
    lé cyber-fety aleo zany atao 21 JIONA (vita kabary), bon (tsy teny frantsay io , an) bon andeha hitady inspiraka (tsy fitenin-jatovo io an ) aingana aho….
    Maintikely>mahazo mitondra jus sy caca pigeon njy r@ cybery-fety
    lap>oui sefo, vita sao matsara io sefo (leo be nareo ô?)

  26. Hery Hery responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 10:59 am

    Mahafinaritra ilay hevitra… dia mba handray anjara koa ny tenanay.
    http://hery.blaogy.com/post/4/4523

    (Ary nampiasa trackback aho fa tsy haiko na nety :-) )

  27. pissoa pissoa responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 12:29 pm

    Jogany > Ooeee, miandry ny GVO e hi hi. Sady toa efa kely sisa fa hitako tena milay be ilay teny gasy tamin’ilay “note” ary amin’ny Facebook :)
    OK - 21 Jiona izany !

    Maintikely > Njy an :(

    Oops, hay lasa misy hoe apetraka eto ny rohy : http://pissoa.blaogy.com/post/9/4520

  28. ikalamako ikalamako responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 3:53 pm

    ah zalahy ! atokisako blaogerako ireto kah ! Hetsika tsisy tahaka ity.
    Izaho sy pissoa tsy mitondra bex intsony amin’ity cyber-fety ho avy ity fa efa eo i simp sy ny olon-tiany. Le tsaramaso akia aza hadino pissoa a !
    Ao tsara ry jogany a ! Mibaribary hoy aho ilay ezaka ! Miala satroka e !
    Forza !!! (tsy teny frantsay io an !)

  29. lapino lapino responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 10:05 pm

    Jogany > OK sefo ;-)

    Hery, (tsy koboko ilay trackback, tsy tokony hoe eto amin’ny coms eto ihany ve ilay izy no mipoitra ? )

  30. simp simp responds:
    Posted: March 29th, 2008 at 11:34 pm

    ikalamako,
    lol
    olon-tiako ve de nareo 2 kosa no hitondra azy e :roll: sao d miady amiko @ zany :P8):)

    (mbola tsisy rohy apetaka… hoavy tsy ho ela 8))

  31. Tattum Tattum responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 7:46 am

    Sosokevitra napetraka tany @ Ikalamako:
    I Dadarabe no hamarana an’ilay izy dia hoe ny vokany sy ny fiafarany mety atao ao @ Telomiova.

  32. Tsikisariaka Tsikisariaka responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 8:19 am

    Miarahaba anareo rehetra,
    Isaorana manokana i Lap manao izao hetsika goavana izao izay hifandrombonan’ny rehetra hanandratana ny tenindrazana.
    Vonona hitondra anjara-biriky aho e ! hiezaka amin’ny resaka fahateren’ny fotoana fa tsy hanome vahana ny toky an-kamorana.
    Samia tsara

  33. lapino lapino responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 1:37 pm

    simp, tsikisariaka, ok e! milamìna tsara fa mbola malalaka ihany ny fotoana
    tattum, ENY ;-)

  34. news2dago news2dago responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 6:13 pm

    tara aho fa miala tsiny! misaotra lapino fa tena manasoa sy manome lanja ny teny malagasiko ianao e!

  35. jogany jogany responds:
    Posted: March 31st, 2008 at 6:50 pm

    ary efa misy manomboka any ambadika any an…mety ko ve raha ireny fanitsiana ao @ commentaires reny ko ampidirina ao? asa ba annn

  36. lapino lapino responds:
    Posted: April 1st, 2008 at 9:35 am

    news2dago, ireo olona mandray anjara rehetra ireo isaorana e
    jogany, mety ho asa be tokoa ny hanangona commentaires aloha e. Fa zany hoe ny coms efa miara-mandeha amin’ilay lahatsoratra voalohany ihany, mety efa ahitsin’ny tompon-dahatsoratra arakarak’izay fandehany eo koa.
    Na izany aza kanefa, raha mampisy inspiraka moa … :-)

  37. Hery Hery responds:
    Posted: April 15th, 2008 at 8:24 pm

    Manao ahoana è !
    tonga eto ny tenako ka dia mba manoratra !
    Mahafaly ny fitsidihana tato ka dia mahereza !
    bonne soirée !
    bisous !

  38. lapino lapino responds:
    Posted: April 15th, 2008 at 10:59 pm

    Hery, misaotra nitsidika e!
    Dia faly torak’izany koa ny tenanay ;-)

  39. pissoa pissoa responds:
    Posted: May 31st, 2008 at 11:20 pm

    Vita sahady ny lalao … Houin houin !

    Amin’ny firy, heure de Dago, ny cyberfety amin’ny 21 Jiona ?
    Dia simp mitondra (a misy tsindrim-peo io lol) partenera hi hi !


Post a Comment

Enter Your Details:


You may write the following basic XHTML Strict in your comments:
<a href="" title=""></a> · <acronym title=""></acronym> · <abbr title=""></abbr>
<blockquote cite=""></blockquote> · <code></code> · <strong></strong> · <em></em>

  • Including a link in your comments will require moderator approval. No Spam please.
  • If you’re a first-time commenter, your reply will be held for moderation. Sorry.
  • Please do not force me to have to edit or remove your comments. No Spam please.
  • Your mature and responsible replies are greatly appreciated by all. Thank you.
Enter Your Comments:


Note: This is the end of the usable page. The image(s) below are preloaded for performance only.