Cyberfety : nahafinaritra

Posted June 22nd, 2008 by lapino

Ny vorombola hono no tompon’ny bika, ny railovy no tompon’ny feo, fa ny Raiamandreny kosa no tompon’ny fitenenana. Tsy sanatria akory ny tenako hitsako alohan’ny vazana raha mba handray fitenenana kely. Tsy dia teny nomena loatra izy ity ka hahasolanga, kanefa toy ny adidy tsy an’olon-dratsy no andraisako ny fitaterana ny cyberfetintsika nahafinaritra omaly. Noho [...]

Continue reading “Cyberfety : nahafinaritra” »


Malala-tsaina hoe ?

Posted April 15th, 2008 by lapino

Voalohany aloha, nolavin’ny fiaraha-monina ny homosexualité
Avy eo nosokajian’ny manam-pahaizana ho aretin-tsaina
Dia nolazaina indray fa phenomene ara-boajanahary, miankina amin’ny natioran’ny olona
Dia nolazaina fa tery saina izay tsy miombon-kevitra amin’izany
Manomboka ataon’ny lalàna mitovy amin’ny volon-koditra izy amin’ny resaka fanavakavahana
Ary misy firenena sy fiangonana manamasina ny mariaziny ho ara-dalàna mihitsy nony farany

… … … Tafavoaka ny homosexuels amin’izay [...]

Continue reading “Malala-tsaina hoe ?” »


Hiova vavony ?

Posted April 14th, 2008 by lapino

hahaha … misy faly ery izao ny vegans :b
Mandalo krizy ara-tsakafo goavana ihany manko izao tontolo izao amin’izao fotoana izao. Misy ifandraisany amin’ny resaka tontolo iainana ihany ilay izy, asa fa toa ilay resaka biocarburants taloha ireny no niandohan’ny tantara. Efa manomboka tonga saina moa amin’izao fa fausse bonne idée ireny, saingy efa somary taraiky [...]

Continue reading “Hiova vavony ?” »


Biodiversite gasy

Posted April 11th, 2008 by lapino

“All hail the New York Giants” hoy ilay mpanjakan’ny mponin’i Madagasikara tao amin’ilay tantara an-tsary malaza. Asa na izaho no be rediredy loatra, na mety misy zavatra atao toy ny fanoharana ny tena fiainana ihany ireny tantara an-tsary ireny.
Jereo eto , no comment intsony aho. Fotoana vitsy monja koa moa io sisa dia mety ho [...]

Continue reading “Biodiversite gasy” »


Resaka sakafo sy zavatra hafa

Posted April 5th, 2008 by lapino

Maty ilay zazakely
… vao 11 volana monja. Vezetaliana manko ny raiamandreniny. Ny vatantsika olombelona anefa tsy mitovy amin’ny vatan’omby. Mandringa ny sakafo avy amin’ny zavamaniry fotsiny. Ny vezetaliana manko dia ireo olona tena ekstremista tsy mihinana afa-tsy zavamaniry ranoray, ny vezetariana mba misy mihinana trondro sy ronono na atody ihany. Avy eo :
Reniny tsy ampy [...]

Continue reading “Resaka sakafo sy zavatra hafa” »


ity - inty

Posted April 3rd, 2008 by lapino

Misy mikiredy hono any hoe nangalatra depara ny tenanay :b . Indro ary ny fandraisako anjara amin’ny lalaontsika e: “Aza ampijaliana ny tenintsika”. Raha misy fotoana sy fahazotoana sy hevitra hita tafaraka moa dia hampiana eo ihany koa.
Fa ny horesahana androany ary dia ny mahasamihafa an’ireo teny roa ireo, ary rahoviana no mampiasa azy. Ny [...]

Continue reading “ity - inty” »


Virgle : Plan B

Posted April 1st, 2008 by lapino

Nihomehy kely ihany aho nahita an’ilay hoe Plan B. Vao nisy resaka omaly ilay Plan A manko
Avy amin’ny Virgin sy Google no nahazoana an’ilay Virgle. Tetik’asa hanomboka amin’ny taona 2014 any izy io, handefasana olombelona pionniers miisa 100 eo honina any amin’ny planeta Mars, izany hoe hatao citoyens marsiana. Tena serieux io an! [...]

Continue reading “Virgle : Plan B” »


Fambolena : solitany vaovao

Posted March 31st, 2008 by lapino

Mbola ny solitany aloha amin’izao fotoana izao no tena mampandeha ny ekonomia eran-tany, ary izy koa no anisan’ny fototry ny karazana olana etsy sy eroa. Voalaza anefa fa ho lany ritra izy io afaka 50 taona any ho any, ary tato anatin’ny telo taona aza dia efa nitombo avo telo heny ny vidiny. Efa misahotaka [...]

Continue reading “Fambolena : solitany vaovao” »


Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika”

Posted March 27th, 2008 by lapino

Eritreritra nandalo, tsy dia hita izay maharatsy azy, andao isika hanao buzz kely indray e. Ataontsika lalaon-tagy tsy misy tagy izy, dia io tenin’i DadaRabe io no lohateny ampitondraina azy. Izao ary no fandehany :

Ato anatin’ny 2 volana, dia angatahina samy mba hanoratra bolongana iray avy momba ny fitsipiky ny teny malagasy
Raha azo atao dia [...]

Continue reading “Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika”” »


Tsindrim-peo

Posted March 27th, 2008 by lapino

Anisan’ny zavatra sarotra rehefa mianatra tenim-pirenena ny tsindrim-peo. Indraindray manko tsy tena misy fitsipika mazava mifehy azy. Ny teny malagasy anefa manana mazava tsara. Kanefa koa mankarary sofina be ny famakin’ireo tsy gasy ny teny gasy.
Fototeny no fototra
Mba hahafantarana ny toerana misy ny tsindrim-peo, dia esorina daholo aloha ny tsirin-teny rehetra raha misy : ny [...]

Continue reading “Tsindrim-peo” »




Note: This is the end of the usable page. The image(s) below are preloaded for performance only.